"Fialam-boly tsy mety amin'ny olo-marina sy tsara taiza, satria mety handrendrika azy any amin'ny tsy fahafatesana sy ny fimamoana..." Anatr'i Praia, nosin'i Santiago, amin'ny anaran'ny mpanjakan'i Portugal, ny 7 Marsa 1866
Taona 1462, ireo andevo voalohany nentin'ny mpanjanaka Portugais tany Cap-Vert, dia nitondra niaraka taminy ny jadon'i Afrika sy ny voan'izay hanjary ho Batuque . Mozika mirohondrohona sy dihy mahafanina arahin'ny vely ampongan'ny tanana mihanjaka. Norarana sy voahenjika tamin'ny andron'ny fanjanahan-tany, ny Batuque dia mbola tavela na dia niafina aza.
Ny tarika Raiz de Tambarina dia anisan'ny tarika tranainy indrindra ao amin'ny nosy Santiago. Ny famerenana sy ny fankalazana, nataony mandavanandro, ireo mpikamban'ny tarika - mpamily kamie´, mpamafa trano, mpivaro-trondro no mizara amintsika ny famaivain'ny Batuque, dia iny isika mitsinjo ny Cap-Vert omaly sy anio.
Acheter le DVD
Voir en VOD