Vao nanomboka tamin'izay ny propagandy ho fifidiana ny filoham-pirenena ny 3 desambra 2006. Tao Ampanihy i Lahiniriko Jean, kandidà no nanao ny kabariny ho fanomezan-toky ny mpianatra fa hamerina ny kilasimandry eny amin'ny lycee. Velom-bolo aok'izany ny mpomba azy tamin'izany, raha iny indrindra kosa tao Soamanitsa, tanà na kely ambanivohitr'i Cap Sainte Marie, vaviantitra iray no mihiakam-pahatezerana sy famoizam-po ka milaza hoe "Mihinana raketa izahay! Noana izahay! Mangetaheta izahay!". Raketa Mena, dia tantaran'ny mponina ao amin'ny fokontany Tranovaho, ambanivohitr'Androy, toerana tsy ahitana izay antoky ny aina indrindra dia ny rano.Moa ve ity voan-draketa ity hahavotra ny ain'ireo mponina ireo? Ary ahoana ny fitondram-panjakana malagasy ao anatin'izany rehetra izany?
Mention de l'Urgence Festival Plein Sud - Cozes (France) Acheter le DVD
Voir en VOD
|